05 Marsa 2010 |
Tsy fandriampahalemena |
Mirongatra ny vaky trano sy ny halatra akoho ao amin’ny Fokantany Soatsihadino sy Igagà |
Tokantrano 04 be izao no indray lasibatry ny vaky trano ny alin’ny Alarobia 03 Marsa hivoha Alakamisy 04 Marsa tao amin’ny Fokotany Soatsihadino. Tohiny Voary Manontolo |
|
| |
04 Marsa 2010 |
Fankalazana ny andron’ny vehivahy 2010 |
Hatao any Ambalavao ny fankalazana rejiônaly ho any Matsiatra Ambony |
“Vehivavy manapan-kevitra,mandray anjara feno amin’ny fanovana ny tanaran’I Madagasikara”, io no teny fanevan’ny fankalazana ny andron’ny vehivavy ho an’ity taona 2010 ity. Tohiny .Voary Manontolo |
|
| |
Famatsiana rano fisotro madio |
Mitohy ny fitsidihana ireo fokontany manana fotodrafitrasa |
Ho tohin’ilay fiofanana mahakasika ny famatsian-drano fisotro madio dia nanatanteraka fitsidihana ifotony ireo fokotany efa manana fotodrafitrasa ireo mpiofana.Tao amin’ny fokontany Andriamboasary no nanaovana izany anio 04 martsa 2010 ary nitohy tao Mokana. Tohiny Hanitra Isabelle |
|
| |
MOSC-CED II Fianarantsoa - “Teny Ifampierana” |
Omena lanja ireo vokatra azo tamin’ny filan-kevim-paritra |
Manomboka androany ny “Teny Ifampierana” karakarain’ny Fitondrana Tetezamita. Anisan’ny nahazo fanasana ny fiarahamonim-pirenena eto Fianarantsoa miaramiasa ao amin’ny “Maison des Organisations de la Société Civile” na MOSC ao amin’ny ivontoerana CEDII.Tohiny. Mahambina |
|
04 Mars 2010 |
TOVOLAHY NANDROBA VOLAN’OLONA HATERINA AMIN’NY BANKY VOASAMBOTRA KA VOADAROKY NY MPIAMBINA |
Tena voa mafy ity tovolahy ity satria dia nampiharan’ny mpiambina ny hatezerany. Vola na tranombarotra lehibe eto an-tanàna haterina no amin’ny BNI no noravain’olona omaly alarobia 4 mars, tamin’ny 4 ora tolakandro. Tohiny. Ravo Soandriaka |
|
04 Mars 2010 |
Hafatra avy amin’ny kaomisera manoloana ny tsy fandriampahalemana eto an-tanàna |
Manentana ny olona mba ho mailo amin’ny fanaraha-maso sy fitandremana manokana ny fananan’ny isan-tokatanony ny Commisaire de Police, RAKOTOMALALA Fanomezantsoa. Tohiny. Voary Manontolo |
|
04 Mars 2010 |
FIOFANANA MOMBA NY INFORMATIKA : |
NATAO NY”exposition des virus” AHAFAHANA MIROSO AMIN’NY DINGANA MANARAKA |
Vita izay ny tapany voalohany tamin’ny fiofanana momba ny informatika izay natao tao amin’ ny CEDII Tsianolondroa.Azo lazaina ho nahazo fahalalana ireo nandray anjara tamin’ny andiana fiofanana roa vita izay.
Tohiny. Clinah Volazara |
|
|
03 Marsa 2010 |
HANAO FITOKONAMBE NY MPIASAN'NY FAHASALAMANA AO AMIN'NY C.H.U TAMBOHOBE NY ALAKAMISY 04 MARTSA Tohiny Voary |
|
|
| |
|
|
2 Mars 2010 |
|
| TSY FANDRIAMPAHALEMANA : Trano telo niaraka voaroba tao Andavalé |
Ny alin’ny alatsinainy hifoha talata 2 Mars dia trano 3 no vaky tamin’Andavalé. Ny roa amin’ireo trano nisy namaky ireo dia an’ny mpianatra avokoa. Tohiny. Clinah |
| |
|