Centre d'Echanges, de Documentation et d'Information inter- Institutionnelles
localistion CEDII à Fianar
CEDII CEDII
 
Bienvenue sur CEDII Fianarantsoa - La Vitrine Regionale de l'information
nos activités
Vaovao Manakara
CEDII est une association malgache régie par l’ordonnance 60-133 du 03/10/60. Apolitique, ses principales missions sont :
_
La mise à disposition des informations techniques, culturelles, sociales, économiques et politiques,
_ La mobilisation des acteurs et crédibilisation des demarches citoyennes.
_ La Promotion et l'animation d'espaces de dialogue
Pour en savoir plus
  Statut
  Reglement Intérieur
  Plan stratégique
  Brochures
  Liste des membres
  Rapports d'ctivités
  2006
  2007
  2008
    2009

  ICCO
  Université de Fianarantsoa
  CITE
  FIANTSO
  SAHA Betsileo
  PROSPERER
  CIDST
  Commune Urbaine de Fianarantsoa
  FCE
  Plus d'autres organisations
Visiteurs
Vous êtes ici - Accueil/Tonga soa

05 Marsa 2010

Tsy fandriampahalemena

Mirongatra ny vaky trano sy ny halatra akoho ao amin’ny Fokantany Soatsihadino sy Igagà

Tokantrano 04 be izao no indray lasibatry ny vaky trano ny alin’ny Alarobia 03 Marsa hivoha Alakamisy 04 Marsa tao amin’ny Fokotany Soatsihadino. Saika ny fitaovana an-dakozia toy ny vilany sy vilia…,miampy ireo lamba firakotra no lasan’izy ireo tamin’izany. Tranona mpianatra eny amin’ny Oniversite izay lasa niala sasatra ny roa amin’izy ireto ka ny tsy maha-eto an-toerana azy ireo no nanararaotan’ireo jiolahy nanatanterahany ny asany, ny sisa kosa tran’olo-tsotra.
Tovolahy tanora 14 taona mitondra ny anarana hoe R.V. no tratrin’ny Fokonolona tany amin’ny lalana mankany Ankindry iny niaraka tamin’ny akoho nangalariny ny maraina ny Zoma 05 Marsa tamin’ny 11ora sy sasany teo. Rehefa nanontaniana izy dia nilaza fa nisy namany 04 no niaraka taminy ka vehivavy manan-janaka ny iray izay antsoana hoe M., ny iray i  Biljôdy izay azo heverina fa ati-doha niketrika izao asa ratsy izao, ny iray farany tsy fantatra anarana hoy ny filazany, fa izy irery no tratra. Efa mivonona mihitsy ry zareo ka mivatsy fotsim-bary ao am-pôsiny mba hanamora ny fisamborana ny akoho, hita ihany koa fa nisy tsilena teny aminy.
Niharan’ny hatezeram-bahoaka rananama ka misy mihitsy ireo olona nahakasi-tanana azy. Nentin’ireo Fokonolona tany amin’ny Sefo Fokontanin’Igaga Andriamatoa Dieu Donné  izy hatao fanadihadiana ka nampiravahana azy ilay akoho nangalariny; avy dia nentina teny amin’ny Poste de Police Tanambao ka nalefa any amin’ny “Commissariat central” Ampasambazaha.

Efa natolotra ny manam-pahefana ity raharaha ity ka andrasana ny tohiny.
Marihina fa tsy mipetraka amin’ny Ray aman-dreniny intsony ity zazalahy ity fa mialokaloka amin’ny namany izy matetika; mpibata entana eo amin’ny gara machine no asa fanaony isan-kariva sady efa tsy mianatra intsony izy. Mimenomenona avokoa ny mponina manodidina ireo Fokontany roa ireo satria misy foana ny fahaverezana nefa tsy fantatra izay manao azy, ka samy niara-niaiky ny rehetra fa zavatra efa fanaon’izy ireo izao. Azo heverina fa efa misy tambazotra n’ankizy tsy ampy taona mpangalatra akoho mihintsy eto Fianarantsoa ka iray amin’izy ireo ity tratra ity.
Ka manentana antsika rehetra mba ho mailo hatrany sy hanara-maso ny fihetsiky ny olona mivezivezy eo amin’ny Fokontany misy anao ka hampilaza avy hatrany raha toa ka misy ny mampiahiahy. Voary Manontolo


 

04 Marsa 2010

Fankalazana ny andron’ny vehivahy 2010

Hatao any Ambalavao ny fankalazana rejiônaly ho any Matsiatra Ambony

 “Vehivavy manapan-kevitra,mandray anjara feno amin’ny fanovana ny tanaran’I Madagasikara”, io no teny fanevan’ny fankalazana  ny andron’ny vehivavy ho an’ity taona 2010 ity. Manombaka ity anio 04 Marsa ity  ny hetsika fanamarihana ny andron’ny 08 marsa eto amin’ny faritra Matsiatra Ambony. Fantatra ary izao fa any Ambalavao no hanaovana ny fankalazana rejiônaly raha toa ka any Antsohihy faritra Sofia ny fankalazana nasiônaly. Toy izao manaraka izao manaraka izao ny fandaharam-potoana amin’izany:
-ny 04, 05, 06 Marsa fampiofanana izay hataon’ny samy vehivavy izany hoe fifanampiana eo amin’ny  samy vehivahy samy manana olana, hetsika ara-kolotsaina maro samihafa, resadresaka arahin’adihevitra ary “miss maman”;
-ny Alahady 07 Marsa amin’ny 3ora tolakandro fiara-mivavaka ao amin’ny EKAR Ambalavao;
-ny Alatsinainy 08 Marsa, io no ivon’ny fankalazana: hisy ny fotoam-bavaka fohy mialohan’ny kabary ifandimbiasana,hisy ny varotra fampirantiana ireo asa tanan’ny vehivavy,ary hofaranana amin’ny “miss maman” ny tapany maraina, ny tolakandro kosa dia hisy ny fifaninana ara-panatanjahantena hataon’ireo vehivavy ka hifarana amin’ny fizarana ny loka ho an’izay nahazo ny voalohany.
Ho an’ny  eto andrenivohitry Fianarantsoa kosa  dia toy izao ny fandaharam-potoana:
-ny Alahady 07 Marsa amin’ny 3ora: fotoam-pivavahana iraisam-pinoana ao amin’ny Tranom-pokonolona vaovao ka ny rakitra azo amin’izany dia atokana ho an’ireo voafonja;
-ny Alatsinainy 08 Marsa amin’ny 8ora sy sasany Dian rodobe miainga eo amin’ny Gara mihazo ny Lapan’ny Tanàna,amin’ny 9ora ny fahatongavan’ireo nasaina, amin’ny 9ora sy sasany kabary ifandimbiasany arahina fitsidihana ny varatra fampiratiana; ny tolakandro amin’ny 3ora hetsika ara-koltoraly toy ny Vaka-drazana,Sketch,Sahoby…izay hafanain’ny Groupe TSIDIKA ao amin’ny Trano-pokonolona.
Izany hetsika rehetra izany dia ho ambany  fiahian’ny Ramatoa IALY Rakatoniaina sy ny Filohan’ny Fikambanam-behivavy eto an-tanàna.
Voary Manontolo


 

Famatsiana  rano fisotro madio

Mitohy ny fitsidihana ireo fokontany manana fotodrafitrasa

Ho tohin’ilay fiofanana mahakasika ny famatsian-drano fisotro madio dia nanatanteraka   fitsidihana ifotony ireo fokotany efa manana fotodrafitrasa ireo mpiofana.Tao amin’ny fokontany Andriamboasary no nanaovana izany anio 04 martsa 2010 ary nitohy tao Mokana. Ity fidinana ifotony ity dia fifanakalozan-kevitra iarahan’ireo mpitantana ny fotodrafitrasa famatsiandrano eny an-toerana miaraka amin’’ireo mpiofana isaky ny  kaominina miara-miasa amin’ny Grand Lion hametrahana io fotodrafitrasa io. Ho an’ny fokotany Andriamboasary manokana dia efa tamin’ny tona 2000 no voapetraka izany izay niarahan’ny fokonolona sy ny ICCO(mpamatsy vola) nanatanteraka ary ny FIKRIFAMA kosa no fikambanana  mitantana izany. Ao amin’ity fokontany ity dia misy paompy 4 ka 2200Ar isan-taona isaky ny olona feno 18 taona no latsakemboka. Raha tsiahivina dia ny Kaominina Ambonivohitra Fianarantsoa no nitantana ny famatsian-drano teto Fianarantsoa ary taty aoriana vao nisy ny famindram-pitantanana nataon’ny kaominina ka natsangana ny fikambanana nandray antanana izany hampihodina ny raharaha. Nanomboka teo ny fividianana rano teto an-tanàna. Hatreto dia voalaza fa tsy misy “redevance” mankany amin’ny kaominina na koa hetra aloa fa ny vidin’ny ranon’ny jirama irery ihany no aloan’ny fikambanana. Mbola mitohy moa ity fitsidihana ity ny zoma 05 martsa izao any Ambohimahasoa sy any Camp Robin. Hanitra Isabelle


 

MOSC-CED II Fianarantsoa - “Teny Ifampierana”

Omena lanja ireo vokatra azo tamin’ny filan-kevim-paritra

Manomboka androany ny “Teny Ifampierana” karakarain’ny Fitondrana Tetezamita. Anisan’ny nahazo fanasana ny fiarahamonim-pirenena eto Fianarantsoa miaramiasa ao amin’ny “Maison des Organisations de la Société Civile” na MOSC ao amin’ny ivontoerana CEDII.
Noho izany dia nanomana ny hevitra haroso amin’io “Teny Ifampierana” io ireto fiarahamonim-pirenena ireto ny talata 2 marsa lasa teo, tao amin’ny ivontoerana CEDII Tsianolondroa. Nisongadina nandritra izany fa izay rehetra tapaka tamin’iny filankevi-paritra natao teto Fianarantsoa iny no ho entina amin’ity teny ifampierana ity. VOALAZA fa tsy tokony ho very maina ny fotoana lany tamin’ireny filankevi-paritra ireny. Tapaka tamin’iny filankevi-paritry Matsiatra Ambony iny fa ny lalam-panorenana vaovao hidirana amin’ny repoblika faha efatra dia tsy maintsy dinihina ao anatin’ny filankevim-pirenena. Avy eo manao ny fitsapankevim-bahoaka handaniana an’io lalam-panorenana io. Ny dingana farany dia miroso any amin’ny fifidianana izay miainga avy any amin’ny fotony izany hoe ny Fokontany ary miakatra mankany amin’ny Filohan’ny repoblika. Fanirian’ireto Fiarahamonim-pirenena ireto arak’izany ny hanatanterahana ireo dingana ireo eto amin’ny firenena Malagasy. Tamin’ity fivoriana ity koa no nisafidianana tao anatin’ny maro ny olona telo hamonjy io “Teny Ifampierana” io. Ny tanjona dia ny hisongadinan’ireto fiarahamonim-pirenena ireto eto amin’ny Firenena Malagasy ary indrindra ny hanatanterahana ny hevitra izay aroson’izy ireo .
Ny fitiavana ny tanin-drazana tokoa anie no hisongadina amin’io “Teny Ifampierana” io hivoahana amin’izao fahasahiranana misy eto amin’ny Firenena Malagasy izao; hitondra fandriam-pahalemana eo amin’ny fiainan’ny Malagasy tsirairay. Ho fakan-kevitra tokoa anie fa tsy fanapahan-kevitra. Mahambina


04 Mars 2010

TOVOLAHY NANDROBA VOLAN’OLONA HATERINA AMIN’NY BANKY VOASAMBOTRA KA VOADAROKY NY MPIAMBINA

Tena voa mafy ity tovolahy ity satria dia nampiharan’ny  mpiambina ny hatezerany. Vola na tranombarotra lehibe eto an-tanàna haterina no amin’ny BNI no noravain’olona omaly alarobia 4 mars, tamin’ny 4 ora tolakandro. Teo anoloan’ny banky no nanaovany izany raha sendra niditra tany an-trano ny mpiambina. Nosontoniny ilay mpisy vola ka namely ilay mpitondra azy. Voasambotra anefa ianao lahy nandritra ny sakoroka. Nitondra antsy sy “poignard américain” izy tamin’io fotoana io. Araka ny fanazavan’Atoa RAKOTOMALALA Fanomezantsoa, kaomiseran’Ampasambazaha dia olona mpanara-maso efa ela ny fomba fanateram-bola ity lehilahy ity. Tsy fanafihana banky ity niseho teo anoloan’ny BNI ity fa setrasetra natao tamin’olona (aggression) arahina halatra. Na izany aza dia mila mailo ny tompon’andraikitra amin’ny fisehoan-javatra toy itony. Efa am-pelatanan’ny polisy Ampasambazaha ity olona ity amin’izao fotoana izao.
Hamafisina ny tokony hitandreman’ny olona tsirairay amin’ny fananany manokana indrindra tamin’ny firongatry ny vaky trano antoandro tamin’ity herinadro ity. Ravo Soandriaka


04 Mars 2010

Hafatra avy amin’ny kaomisera manoloana ny tsy fandriampahalemana eto an-tanàna

Manentana ny olona mba ho mailo amin’ny fanaraha-maso sy fitandremana manokana ny fananan’ny isan-tokatanony ny Commisaire de Police, RAKOTOMALALA Fanomezantsoa. Voalaza mantsy fa misy tsirambina ataon’ny olona rehefa mivoakan’ny trano ohatra amin’izany  ny tsy fanidina trano rehefa ho any an-tsena hany ka mora ho an’ireo olon-dratsy ny manao ny asa ratsiny. Efa niara-nivory tamin’ireo Sefo Fokontany ny avy ato amin’ny “Commisariat Central” ka efa napetraka any amin’izy ireo tsirairay avy any ny tomponandraikitra hanao ny fisafoana sy ny fanaraha-maso ny olona mivezivezy any anelakela-trano amin’nyandro atoandro. Tsapa ary tamin’iny herinandro lasa iny fa nihena ny vakitrano atoandro rehefa nandray ny andraikiny ireo voakasika amin’izany. Voaresaka tao ihany koa ny momba ny fampiasana ny basy. Misy lalàna manokana ny fitifiran’olona eo amin’ny fitandroana ny filaminana, ampiasaina ny basy raha toa ka misy fitsoahana.
Ka ingaviana isika rehetra mba ho mailo hatrany satria tsy tery lalana ny ratsy.
Voary Manontolo


04 Mars 2010

FIOFANANA MOMBA NY INFORMATIKA :

NATAO NY”exposition des virus” AHAFAHANA MIROSO AMIN’NY DINGANA MANARAKA

Vita izay ny tapany voalohany tamin’ny fiofanana momba ny informatika izay natao tao amin’ ny CEDII Tsianolondroa.Azo lazaina ho nahazo fahalalana ireo nandray anjara tamin’ny andiana fiofanana roa vita izay.
Ity tapany maraina ny alakamisy, 04 martsa ity no nanatanterahana ny “exposition des virus informatiques” tamin’io toerana io ihany. Voafaritra tamin’izany ny atao hoe “virus”,ny karazany; teo ihany koa ny ahafantarana sy ahitana azy, ny fombaatao hiadiana aminy ary ny asan’ny “fichier, Autorun.Inf”. Ity farany  dia ampiasaina amin’ny famonoana ny virus. Tsy latsa-danja tamin’izany ihany koa ny fanapahana sy ny fanakanana ny virus anaty flash tsy ho ao amin’ny solosaina ary ny mifamadika amin’izany (virus anaty solosaina mandeha anaty flash disk).
Toy ny  fomba fiasan’Atoa Lalaina, mpampiofana, dia ny teoria arahina fampiharana avy hatrany no atao mandritra izany. Teto diafantatr’ireo nandry anjara fa azo atao  tsara ny miady amin’ny virus izay manafika ny “windows” sy ny “logiciel”, n any ao anaty solosaina n any ao naty flash disk. Araka ny fanamarihana nataon’ny mpampiofana dia tsy ny virus no manimba ny materiel informatique fa ny toetrany.
“Natao moa ity hetsika ity ho famehezany ny tapany voalohany na ny module 1, ary mba ahafahana miroso amin’ny module 2, izay mahakasika indrindra ny “accès” izany”, hoy Ramatoa VATOSOA, topon’andaikitra ao amin’ny CEDII Tsianolondroa. Hisy arak’izany ny andiana fiofanana manaraka. Mbola tsy hay mazava ny datiny fa fantatra kosa fa ho tanterahina amin’ity volana martsa ity ihany. Clinah Volazara



03 Marsa 2010
HANAO FITOKONAMBE NY MPIASAN'NY FAHASALAMANA AO AMIN'NY C.H.U TAMBOHOBE NY ALAKAMISY 04 MARTSA

Nandritra ny fivoriambe isaky ny alarobia fanaon'ny mpiasan'ny fahasalamana, ho fampitam-baovao sy andraisana fanapahan-kevitra mikasika ny fanohizana ny fitakian'izy ireo, no nanambarana fa "Hiroso amin’ny fitokonambe ireo mpiasan’ny fahasalamana ato Maatsiatra Ambony rahampitso 04 Marsa, ka eo amin’ny toerana mahazatra, ao amin’ny CHU Tambohobe no hanaovana izany" : Tsy hiasa izy ireo, kanefa samy hanao ny “blouse” sy/na ny ribà mena izy ireo ho fanehoana ny firaisan-kina sy hampisongadinana fa marary ny mpiasan’ny fahasalamana.

Nandritra io fivoriana omaly alarobia 03 martsa io koa no nandraisan'izy ireo fanapahan-kevitra fa hatao in-droa isan-kerinandro ny fivoriana eny amin’ny CHU Tambohobe, ary tohizana ny « week End Prolongé » izay midika fa miampy Alakamisy ny andro tsy iasana. Ny Zoma ihany izany sisa no andro iasan’ny mpiasan’ny fahasalamana manomboka amin’ity volana marsa ity.

Na nambara aza fa efa mamaraparana ny fandinihana ny dossier ny Ministera ka miandry miandry ny Filankevitry ny ministra ny fandraisana fanapahan-kevitra, ka amin’io herinandro miditra iny ny fanaovana ny Sonia dia tapa-kevitra ny mbola hanamafy ny fitakiany ny mpiasan’ny fahasalamana.

 

Voary


2 Mars 2010

 
TSY FANDRIAMPAHALEMANA : Trano telo niaraka voaroba tao Andavalé

Ny alin’ny alatsinainy hifoha talata 2 Mars dia trano 3 no vaky tamin’Andavalé. Ny roa amin’ireo trano nisy namaky ireo dia an’ny mpianatra avokoa.
Tokony tamin’ny 2 ora maraina teo no nisy nahatsikaritra fa nisy namaky ny trano iray, ka nampilaza avy hatrany tamin’ ny polisy. Indrisy anefa fa lasan’ireo tsy valahara ihany  ny valizy ngeza misy lamba dosie, poketra roa, radio, vary ary menaka. Hita teny amin’ny fanariam-pako ny valizy sy ny lamba efa voaboraka ary ny poketra rehefa maraina ny andro. Tao amin’ny tranon’ny mpianatra iray hafa kosa dia vary ihany no nalainy.
Efa ampelatanan’ny polisy eny Anjoma ny raharaha amin’izao fotoana izao. Efa mandeha ny fikarohana rehetra. Misy ireo olona ahiahiana ho nahavanona an’ity asa ratsy ity fa ny fanadihadiana no andrasana amin’izany. Tsy miasa irery ny polisy amin’izany fa miara-miasa amin’ny mponina ao Andavalé.
Vao ela akory izay no nisy namaky ny tranon’ny mpianatra avy lavitra mandranto fianarana eto Fianarantsoa, dia izao indray ny manaraka, trano telo anatin’ny alina iray. Amin’ny maha tsy eo ny mpianatra no hanararaotan-dry zalahy hanaovana ny asa ratsiny
.

 

Clinah

   
   

 

Actualités
 
archives
- Faites connaissances avec le Service Documentation du CEDII.
  Reforme du système éléctoral : les résultats de la consultation des acteurs fianarois durant le deuxième trimestre 2009
  Reconciliation nationale : Les résultats d'une consultation menée à Fianarantsoa durant le deuxième trimestre 2009
  Les préoccupations de la population fianaroise au deuxième trimestre 2008


 

 


Autres liens
CMP :Comité Multilocal de partenariat
FCE : Fianarantsoa Côte Est
C.E.D.I.I
INFORMATION - PARTICIPATION - DEVELOPPEMENT
MAMPITA HEVITRA - MAMPITA VAOVAO - MAMPITA HEVITRA VAOVAO

BP. 166 - c/o Bibliothèque Municipal Tsianolondroa - Fianarantsoa 301
Tel (261) 20 75 509 34 / (261) 20 75 509 68 Fax : (261) 20 75 511 06

Email : cedii.fia@moov.mg  ; cedii.fianar@yahoo.fr