|
CEDII
est une association malgache régie par
l’ordonnance 60-133 du 03/10/60. Apolitique, ses
principales missions sont : |
_ |
La mise à disposition des
informations techniques, culturelles, sociales,
économiques et politiques, |
| _ |
La mobilisation des acteurs et
crédibilisation des demarches
citoyennes. |
| _ |
La Promotion et l'animation d'espaces de
dialogue |
|
|
|
|
|
liens utiles |
| |
CMP www.cmp.mg |
| |
ICCO
www.icco.nl/fr |
| |
Université de Fianarantsoa
www.univ-fianar.mg/ |
| |
FIANTSO
ww.fiantso.mg |
|
|
| Vous êtes ici --->
Accueil/Tonga
soa |
|
Ny antsika N°4 : RAHARAHAMBAHOAKA |
| Izay mitahiry loto, mamolavola aretina ! |
| Ny tanora sy ny famoronana asa eto antanana’i Fianarantsoa |
| Koka : Ny olan’ny rano eto Fianarantsoa |
| Koka : Aiza ihany ilay gare routière e ! |
| |
Ny fahasalamam-bahoaka eto Fianarantsoa |
Izay mitahiry loto, mamolavola aretina ! |
Ny loto miteraka aretina, ny aretina mitondra fahantrana, ary fahantrana anekena loto! R.M |
 |
Aretim-pivalanana, tazo, tifoida, takilodrano, pesita sns ary ny atontan’isa tamin’ny taona 2010 dia manamafy fa: mahatratra 8000 amin’ny isan’ny mponina 180 000 eto Fianarantsoa tratry ny aretina vokatry ny tsy fahadiovana, mbola maro anefa ireo narary fa nitsabo tena teny ho eny fotsiny, vola very amin’ny fanafody, fotoana lany amin’ny fitsaboana.
|
Fa aiza no toerana tsy ahitana loto eto an-tananantsika e? zoron-dalana takotakona, lakozy fivarotana hani-masaka zara fa misy rano madio, fotaka sy vovoka ary fako ivarotana ny entana fihinana eo an-tsena, lakan-drano lasa fanarianana fivalanana sns
Tena zava-misy ireo, fiainantsika an-davan’andro ka mampanontany tena hoe : fa nankaiza ny olon-tety ? tena efa miraviravy tanana ve isika ? manam-pahaizana, tambanivohitra, tanora, olom-pirenena, mpiasan’ny fahasalamana, tompon’andraikitry ny tanàna!!!! Fa ahoana e?
Ka fohazina isika satria ratsy ny maloto ary ny fahasalamana no loharanon-karena hoy ny fitenenana. Ka inona no lamina ho entintsika miahy ny fahadiovana eto amin’ity Tanana mamintsika ity, fa sady fahasalamana no fahafinaretana ary fahamendrehana ny fahadiovana.
Ireo loharano iavian’ny loto?
Vakio eto ny tohiny |
|
Ny tanora sy ny famoronana asa eto antanana’i Fianarantsoa |
Raha ny lahatsoratra farany izay navoakantsika mahakasika ny “Ny tanora sy ny fitadiavana asa eto amin’ny tanànan’i Fianarantsoa” no asian-teny dia isan’ny voaresaka tamin’izay ny hoe : “Ny fitondram-panjakàna mahefa no tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny fitadiavana ny paik’ady sy ny sori-dàlana mazava hahafahana mandrindra sy mandamina amin’ny ankapobeny ny famahana ny olana.”
Nampatsiahivina teto fa efa lasa fahazarana sy fomban’ireo tanora nahavita fianarana ny fiandrasana tolotr’asa , na izany avy amin’ny sampandraharaham-panjakàna na koa avy any amin’ireo sehatra tsy miankina samihafa.
Saika andiany vitsy avy amin’izy ireny ihany no mba manana ny faharisihana hiroso any amin’ny famoronana asa ho an’ny tenany ; ary tsy ho atao zava-mahagaga moa izany satria tsy dia nampiomanina ny amin’izany loatra izy ireo tamin’ny fianarana noratoviny, hany ka sarotra ho azy ireo ny hananana toetsaina ho any amin’ny fahaleovantena arak’asa.
Isan’ny teny heno avy amin’ny ankamaroan’izy ireo ihany koa ny hoe “Tsy misy na tsy ampy ny ho ent-manana” na koa ny hoe “Be loatra sady sarotra atrehina ny fepetra takiana amin’ny fangatahana fampindramam-bola any amin’ireo mpamatsy vola madinika mahazatra.
Vakio eto ny tohiny |
|
Ny olan'ny rano eto Fianarantsoa |
Nandritra ny fankalazana ny faha folotaonan’ny CEDII dia nasaina nanao famelabelaran-kevitra mikasika ny rano sy ny jiro ny JIRAMA.
Amin'ny fotoanan'ny maintany, misy elanelany 1400M3/j hatramin'ny 2500m3/j ny filan’ny mponina rano sy ny vokatra rano omen'ny JIRAMA. Amin’ny ankapobeny dia manodidina ny 6400m3/j eo ny rano jifan’ny mponina eto Fianarantsoa. Misondrotra kely izany amin'ny maintany. 4800m3/J eo anefa ny vokatra vokarin’ny JIRAMA amin’ny main-tany, raha tafakatra 8000m3/j izany amin'ny fotoanan'ny orana ; miainga amin'ireo tobim-pamokarana telo (Antarambiby, Mandranofotsy, Ankidona).
Dia ahoana ny vahaolana ? Efa nametraka fotodrafitrasa hampitombo ny rano vokarina eny Ankidona sy Antarambiby ary Vatosola ny JIRAMA ary manao fanabeazana ny mpanjifa hitsitsy ny Rano. Vahaolana fohiezaka izany ; fa hiatrehana ny lavitrezaka dia tokony heverina sahady ny fomba hitrandrahana tobim-pamokarana hafa : ny reniranon'ny Mahatsiatra ohatra.
Ilaina heverina koa ny fiatrehana ny olana fototra : noho ny dorotanety dia tsy mitazona rano intsony ny nofontany ; ny fambolen-kazo anefa tsy ampy (tsy mbola kolontsain'ny olona andavanandro ny fambolen-kazo).
Mety azo azavaina amin’ireo tarehimarika ireo ve ny antony tsy mamparisika ny mpandraharaha hanangana orinasa eto Fianarantsoa sy ato amin’ny faritra Mahatsiatra Ambony ?
Noho ny tsy fahampiandrano mamatsy ny toby famatsiandrano eny Namorona dia olana koa ny jiro.
Vakio eto ny tohiny |
|
GARE ROUTIERE FIANARANTSOA : SY OVIANA IHANY ? |
Hatramin’izao dia mbola tsy manomboka ny asa fanorenana ny gare routière eto fianarantsoa ; raha efa saika vita ny any amin’ireo tanan-dehibe rehetra eto madagasikara.
Politikan’ny minisiteran’ny fitaterana ankehitriny, mifandray amin’ilay hoe « partenariat public privé » ny fanorenana « toeram-pihantsonana ny fiarakodia » gare routière manara-penitra isaky ny renivohim-paritany sy tanàn-dehiba sasany eto madakasikara. Amintsika miteny izao dia ny GR an’i Fianarantsoa sy Toliary sisa no mbola tsy manomboka ny asa.
Zava-dehibe ho fampiroboroboana ny toekarena eto Fianarantsoa ny fisian’io gareo routière io saingy tsy mety manomboka ny eto fianarantsoa noho ny antony maromaro :
1 - ny tany hanorenana azy : Tany manoloana ny « cour d’appel » no tokony hanorenana azy io. Mizarazara be ihany anefa ny tompon’io tany io : minisiteran’ny fiompiana, fianakavian’ny tompon’andraikitra teo aloha …
2 – ny fahazahoana ny tsena : mifandray akaiky amin’ireo tompon’andraikimpanjakana ireo orinasa mpivarotra solika tokony hanao ny asa fanorenana (JOVENNA sy GALANA)
Vakio eto ny tohiny |
|
|
|
Culte œcuménique célébré à l’église FJKM Kianjasaa Rasalama le Jeudi 07 octobre |
|
| |
|
| |
Les préoccupations de la population
fianaroise au deuxième trimestre 2008 |
| |
Résultats des préparations de la participation des acteurs régionaux à la conférence nationale |
| |
Documents de promotion de la FCE |
|
|
|